15 ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
17 Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
18 ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
19 Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.