1 Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
2 Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
3 Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4 Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.