1 Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.
2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.
4 Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy.
5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao,