26 Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
27 Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin'ny fahavalony.
28 Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah.
29 Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.
30 Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy.
31 Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
32 Ary nandeha tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah.