20 Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.
22 Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
24 Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.
25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.