23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
24 Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.
25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.
27 Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.