17 Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
18 Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
19 Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21 Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.
22 Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
23 Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.