4 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.
5 Ary nitady an'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an'Andriamanitra; ary tamin'ny andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra izy.
6 Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.
7 Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
9 Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankao amin'ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.