16 Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan'ny Levita.
17 Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.
18 Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19 izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.
20 Ary Jehovah nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21 Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah.
22 Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.