2 Tantara 8:9-15 MG1865

9 Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny

10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.

11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.

12 Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;

13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.

14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.

15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.