5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina;
8 Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy.
9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.