Daniela 3:11-17 MG1865

11 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.

12 Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.

13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.

14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?

15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?

16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.

17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.