4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5 Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
6 ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
7 Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
8 Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.
9 Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
10 Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;