16 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny, dia amin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
17 fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
18 Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
20 Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
21 Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
22 Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.