7 ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah,
8 dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy.
9 REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo.
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao.