1 Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
2 Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
5 Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.