15 Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
16 amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17 fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.
18 Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19 dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
20 dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.