6 ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
8 Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
9 Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
10 Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11 ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,
12 dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,