1 Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
2 Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
3 dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
4 Ary rehefa tafita an'i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
5 Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
6 Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.
7 Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.