Deotoronomia 9:1-7 MG1865

1 MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,

2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?

3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.

4 Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.

5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.

6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.

7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo.