15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
16 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17 Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18 Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19 Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.