21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22 Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25 Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26 ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.