Eksodosy
toko 13:2-8
Malagasy Bible
2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao.
6Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah.
7Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
8Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.