1 Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
2 Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
3 Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.
4 Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena.