4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
5 Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan'andro.
6 Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
7 ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8 Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10 Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.