Eksodosy
toko 2:13-19
Malagasy Bible
13Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
15Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
17Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.
18Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
19Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.