23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
25 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
26 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.