Eksodosy
toko 21:20-26
Malagasy Bible
20Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
21Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
22Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
23Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao,
24maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,
25may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
26Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.