1 Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2 Ary manaova ny tandrony eo amin'ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
3 Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
4 Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,
5 Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
6 Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
7 Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,