28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29 Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
30 Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33 Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.