14 Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.
15 Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
16 Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19 Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
20 Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,