5 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
6 Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7 Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8 ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;