10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16 Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.