Eksodosy
toko 5:3-9
Malagasy Bible
3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
6Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
9Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.