7 Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin'ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
8 Ary Mosesy sy Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny sahona izay efa nataony tamin'i Farao.
9 Dia nataon'i Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny amin'ny tokotany ary tany an-tsaha.
10 Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
11 Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
12 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.
13 Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.