12 Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
13 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
15 Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.
16 Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako.
17 Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18 Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.