3 Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
4 Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
5 Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy?
6 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
7 Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
8 Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.