4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
5 Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6 fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
7 na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
8 tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
9 ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10 Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny