2 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4 Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
5 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6 tamin'izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
7 dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.