31 Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.
34 Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
37 fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.