3 ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
4 Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
5 Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7 Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9 Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,