1 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy.
2 Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
3 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4 Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5 Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.
6 Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.