1 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.
4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
5 Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.