13 Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,
14 Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
15 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
16 Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,
17 Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.
18 Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.