16 Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
17 Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19 Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara amin'izay tsy voafora.
20 Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21 Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.
22 Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;