15 Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
16 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.
18 Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
19 Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
20 Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
21 Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.