Ezekiela 42:8-14 MG1865

8 Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.

9 Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.

10 Ary nisy efi-trano koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana, tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.

11 Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;

12 ary tahaka ny varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.

13 Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.

14 Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.