1 Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
2 Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona; fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
3 Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4 Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
5 Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
6 Ary lazao amin'ireo maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!
7 dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;