1 Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
2 Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3 Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.
4 Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
5 Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
6 Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.