12 Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14 Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15 Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16 dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17 Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18 Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.